Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-27

11 Dia tonga teo anatrehan'ny governora Jesoa ka nanontanin'ny governora hoe: Hianao va no mpanjakan'ny Jody? Voalazanao, hoy Jesoa taminy;

12 fa ny fiampangana nataon'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona azy no tsy novaliany kely akory, 13 ka hoy Pitaly taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangana anao izany? 14 Fa tsy namaly izy na dia indraim-bava aza, ka gaga dia gaga ny governora. 15 Ary isaky ny fetin'ny Paka dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian'ny vahoaka. 16 Ary tamin'izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy, 17 ka rahefa nivory ny vahoaka, dia hoy Pilaty taminy: Iza no tianareo halefako ho anareo, Barabasy sa Jesoa izay atao hoe Kristy? 18 satria fantany fa fialonana no nanoloran'izy ireo an'i Jesoa. 19 Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: Aza manao na inona na inona amin'io Lehilahy marina io hianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako azy halina izay. 20 Tamin'izay ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an'i Barabasy sy hampamono an'i Jesoa. 21 Dia niteny indray ny governora nanao hoe: Iza no tianareo halefako ho anareo amin'izy roa lahy? Barabasy, hoy izy ireo. 22 Ary hoy Pilaty taminy: Ahoana kosa àry no hataoko amin'i Jesoa, izay atao hoe Kristy? 23 Aoka hofantsihana amin'ny hazo fijaliana izy, hoy izy rehetra. Fa inona àry no ratsy nataony e? hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe: Fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy. 24 Nony hitan'i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afa-tsiny amin'ny ran'io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.

25 Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Aoka ho aminay sy amin'ny zanakay ny rany. 26 Tamin'izay dia nalefany Barabasy, ary Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin'ny hazo fijaliana. 27 Tamin'izay dia nentin'ny miaramilan'ny governora ho any amin'ny toerana fitsarana Jesoa, sady novoriny hanodidina azy ny miaramila namany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1679