Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-28

1 Tamin'ny alin'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana Maria Madelena sy ilay Maria anankiray.

2 Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy anjelin'ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. 3 Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4 Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty. 5 Dia niteny tamin'ireo vehivavy ny anjely nanao hoe: Aza matahotra hianareo; fantatro fa mitady an'i Jesoa izay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo. 6 Tsy ato izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo. 7 Mandehana haingana milaza amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty izy, ary indro hialoha anareo any Galilea izy; any no hahitanareo azy; izany àry, fa efa nilazako hianareo izay. 8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin'ny mpianatra. 9 Ary indro Jesoa niseho taminy nanao hoe: Arahaba. Dia nanatona azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany. 10 Dia hoy Jesoa taminy: Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany ahy. 11 Mbola teny an-dàlana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin'ny lohandohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho.

12 Dia novorin'ireo ny loholona ka rahefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, 13 ary nilaza taminy hoe: Aelezo amin'ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra azy raha mbola natory izahay hoe; 14 ary raha sendra ren'ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo. 15 Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin'izy ireo izany no mbola inoan'ny Jody mandraka androany. 16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo nankany Galilea, any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesoa halehany.

17 Nony nahita azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka azy. 18 Ary Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; 19 koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; 20 ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0359