Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-28

1 Tamin'ny alin'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana Maria Madelena sy ilay Maria anankiray.

2 Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy anjelin'ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. 3 Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4 Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty. 5 Dia niteny tamin'ireo vehivavy ny anjely nanao hoe: Aza matahotra hianareo; fantatro fa mitady an'i Jesoa izay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo. 6 Tsy ato izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo. 7 Mandehana haingana milaza amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty izy, ary indro hialoha anareo any Galilea izy; any no hahitanareo azy; izany àry, fa efa nilazako hianareo izay. 8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin'ny mpianatra. 9 Ary indro Jesoa niseho taminy nanao hoe: Arahaba. Dia nanatona azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany. 10 Dia hoy Jesoa taminy: Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1431