Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-28

16 Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo nankany Galilea, any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesoa halehany.

17 Nony nahita azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka azy. 18 Ary Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; 19 koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; 20 ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0416