Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-28

8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin'ny mpianatra. 9 Ary indro Jesoa niseho taminy nanao hoe: Arahaba. Dia nanatona azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany. 10 Dia hoy Jesoa taminy: Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany ahy. 11 Mbola teny an-dàlana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin'ny lohandohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho.

12 Dia novorin'ireo ny loholona ka rahefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, 13 ary nilaza taminy hoe: Aelezo amin'ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra azy raha mbola natory izahay hoe; 14 ary raha sendra ren'ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo. 15 Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin'izy ireo izany no mbola inoan'ny Jody mandraka androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1249