Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-2

13 Nony lasa izy ireo, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

14 Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. 15 Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin'ny Tompo voalazan'ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. 19 Ary rahefa maty Heroda, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Ejipta tamin'ny nofy

20 ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ento ny Zazakely sy ny reniny ka modia any amin'ny tanin'Israely, fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely. 21 Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny ka tonga tany amin'ny tanin'Israely. 22 Nony reny anefa fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan'Andriamanitra tamin'ny nofy. 23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanĂ na atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin'ny mpaminany hoe: Fa hatao hoe Nazareta izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1648