Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-3

1 Ary tamin'izany andro izany dia niseho Joany Batista, nitory teny tany an'efitr'i Jodea

2 nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 3 Izy no ilay voalazan'Izaia mpaminany hoe: Re ny feon'izay miantso any an'efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny alehany. 4 Akanjo volon-drameva no fitafian'io Joany io, fehikibo hoditra no tamin'ny valahany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany. 5 Ary nankany aminy daholo Jerosalema sy Jodea rehetra mbamin'ny tany manodidina an'i Jordany; 6 ka nony efa niaiky ny tahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin'ny ony Jordany. 7 Ary raha nahita ny Farisiana sy ny Sadoseana betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

8 Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara, 9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangona zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 10 Efa ao am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo. 11 Izaho dia manao batemy anareo amin'ny rano, ho amin'ny fibebahana; fa ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; izy no hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 12 eny an-tànany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloany, ka ny variny hangoniny any an-tsopitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin'ny afo tsy mety maty. 13 Ary tamin'izany dia tonga avy tany Galilea Jesoa ka nanatona an'i Joany teo amoron'i Jordany mba hataony batemy;

14 fa nandà Joany nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batemy, ka hianao indray va no mankaty amiko? 15 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra. Dia nanaiky izy. 16 Nony vita batemy Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin'izay, ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. 17 Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay ankasitrahako indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0383