Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-3

13 Ary tamin'izany dia tonga avy tany Galilea Jesoa ka nanatona an'i Joany teo amoron'i Jordany mba hataony batemy;

14 fa nandà Joany nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batemy, ka hianao indray va no mankaty amiko? 15 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra. Dia nanaiky izy. 16 Nony vita batemy Jesoa, dia niala avy teo anaty rano niaraka tamin'izay, ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. 17 Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay ankasitrahako indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0475