Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-4

1 Ary tamin'izay dia nentin'ny Fanahy nankany an'efitra Jesoa, mba halain'ny demony fanahy;

2 ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina izy, ka noana nony afaka izany. 3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra hianao, asaovy ho tonga mofo ireto vato ireto. 4 Fa namaly izy ka nanao hoe: Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra. 5 Tamin'izay dia nitondra azy nankany amin'ny tanàna masina ny demony ka nametraka azy teo an-tampon'ny tempoly, 6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: Ny anjeliny no nametrahany anao, ary izy ireo hitondra anao eo an-tànany, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 7 Fa hoy Jesoa taminy: Efa voasoratra koa fa: Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao. 8 Dia nentin'ny demony nankany ambonin'ny tendrombohitra avo dia avo indray izy, ka nasehony azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, 9 ary hoy izy taminy: Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko hianao. 10 Fa izao no navalin'i Jesoa azy: Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao. 11 Tamin'izay dia nandao azy ny demony, ary indreo nisy anjely tonga teo aminy ka nanompo azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0959