Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-4

12 Ary nony ren'i Jesoa fa natao an-tranomaizina Joany, dia lasa izy nankany Galilea;

13 ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin'ny sisin-tanin'i Zabolona sy Neftalì ka nonina tao, 14 mba ho tanteraka ny teny nolazain'Izaia mpaminany hoe: 15 Ny tanin'i Zabolona sy ny tanin'i Neftalì, ny làlana ao amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordany, i Galilean'ny jentily: 16 ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava. 17 Hatramin'izay dia nanomboka nitory teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 18 Ary raha nitsangatsangana teny amoron-dranomasin'i Galilea Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia Simona ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny, nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

19 Dia hoy izy taminy: Avia hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 20 Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy. 21 Dia mbola nandroso ihany izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin'i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. 22 Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy. 23 Ary Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nampianatra tao amin'ny sinagogan'ny olona, sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1572