Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-4

18 Ary raha nitsangatsangana teny amoron-dranomasin'i Galilea Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia Simona ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny, nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.

19 Dia hoy izy taminy: Avia hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 20 Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy. 21 Dia mbola nandroso ihany izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin'i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. 22 Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0414