Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-5
33 Ary efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianiana tsy tò, fa efao amin'ny Tompo ny fianiananao.34 Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izy; 35 na amin'ny tany, fa fandiavan'ny tongony izy; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izy; 36 na amin'ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao. 37 Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ilay ratsy.