Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

17 Aza ataonareo fa tonga aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany; tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka.

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. 19 Koa amin'izany, izay handika ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103