Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify.

39 Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao an-kavanana, dia atolory azy koa ny ilany; 40 ary raha misy te-hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; 41 ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. 42 Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao. 43 Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao hianao ary hankahala ny fahavalonao.

44 Fa izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin'izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika sy manendrikendrika anareo; 45 mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra hianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikàna aza tsy manao izany koa? 47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin'ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? 48 Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222