Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

1 Ary nony nahita ny vahoaka Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rahefa tafapetraka izy, dia nanatona azy ny mpianany,

2 ka niloa-bava izy nampianatra azy, nanao hoe: 3 Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. 5 Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. 6 Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. 7 Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. 8 Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. 9 Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. 10 Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. 11 Sambatra hianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: 12 mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1067