Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin'ny olona.

14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanĂ na miorina eo an-tampon-tendrombohitra, 15 ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa eo ambonin'ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. 16 Aoka hazava eo imason'ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.138