Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

17 Aza ataonareo fa tonga aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany; tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka.

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. 19 Koa amin'izany, izay handika ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. 20 Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory hianareo. 21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin'ny fitsarana.

22 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin'ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin'ny Sanedrina; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin'ny gehen'afo. 23 Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin'ny otely hianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, 24 dia avelao eo amin'ny otely aloha ny fanatitrao, ka mandehàna mihavana amin'ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. 25 Mihavàna faingana amin'izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dàlana hianareo, fandrao atolotr'izay manana ady aminao amin'ny mpitsara hianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin'ny mpamototra, ka hatao an-tranomaizina hianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany. 27 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mijangajanga.

28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. 29 Koa raha ny masonao an-kavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. 30 Ary raha ny tànanao an-kavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin'ny gehen'afo. 31 Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. 32 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga. 33 Ary efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianiana tsy tò, fa efao amin'ny Tompo ny fianiananao.

34 Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izy; 35 na amin'ny tany, fa fandiavan'ny tongony izy; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izy; 36 na amin'ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao. 37 Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ilay ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1311