Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

20 Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra akory hianareo. 21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin'ny fitsarana.

22 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin'ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin'ny Sanedrina; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin'ny gehen'afo. 23 Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin'ny otely hianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, 24 dia avelao eo amin'ny otely aloha ny fanatitrao, ka mandehàna mihavana amin'ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. 25 Mihavàna faingana amin'izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dàlana hianareo, fandrao atolotr'izay manana ady aminao amin'ny mpitsara hianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin'ny mpamototra, ka hatao an-tranomaizina hianao. 26 Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0467