Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

3 Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. 5 Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. 6 Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. 7 Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. 8 Sambatra ny madio fo, fa hahita an'Andriamanitra izy. 9 Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. 10 Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. 11 Sambatra hianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: 12 mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. 13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin'ny olona.

14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, 15 ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa eo ambonin'ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. 16 Aoka hazava eo imason'ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0888