Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-5

38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify.

39 Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao an-kavanana, dia atolory azy koa ny ilany; 40 ary raha misy te-hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; 41 ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. 42 Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845