Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-6

1 Tandremo sao hataonareo eo imason'ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany dia tsy hahita valisoa amin'ny Rainareo izay any an-danitra hianareo.

2 Koa amin'izany raha manao fiantrana hianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy ao amin'ny sinagoga sy eny an-dàlambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. 3 Fa raha manao fiantrana hianao, aoka ny tànanao havia tsy hahalala izay ataon'ny havanana, 4 mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. 5 Ary raha mivavaka hianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin'ny sinagoga sy eny an-joron-dàlana, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

6 Fa hianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 16 Ary raha mifady hanina hianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon'ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan'ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

17 Fa hianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, 18 mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin'ny mangingina; ary ny rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1034