Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-6

7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy hianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza hianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. 9 Koa mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, 10 ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; 12 avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, 13 ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amena. 14 Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona hianareo, dia havelan'ny Rainareo any an-danitra koa; 15 fa raha tsy mamela ny hadisoan'ny olona kosa hianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo koa ny hadisoanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738