Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-6

1 Tandremo sao hataonareo eo imason'ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany dia tsy hahita valisoa amin'ny Rainareo izay any an-danitra hianareo.

2 Koa amin'izany raha manao fiantrana hianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy ao amin'ny sinagoga sy eny an-dàlambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. 3 Fa raha manao fiantrana hianao, aoka ny tànanao havia tsy hahalala izay ataon'ny havanana, 4 mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao. 5 Ary raha mivavaka hianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin'ny sinagoga sy eny an-joron-dàlana, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

6 Fa hianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0658