Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-6

5 Ary raha mivavaka hianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin'ny sinagoga sy eny an-joron-dàlana, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.

6 Fa hianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao izay ao amin'ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0813