Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 6. 7-15,
7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
8 Koa aza manahaka azy hianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza hianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
9 Koa mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao,
10 ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra.
11 Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
12 avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
13 ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin'ny ratsy. Amena.
14 Fa raha mamela ny hadisoan'ny olona hianareo, dia havelan'ny Rainareo any an-danitra koa;
15 fa raha tsy mamela ny hadisoan'ny olona kosa hianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo koa ny hadisoanareo.