Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-7

1 Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo;

2 fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana anareo koa. 3 Ary nahoana hianao no mahita ny tapak'ahitra ao amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin'ny masonao? 4 Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Avelao hesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin'ny anao? 5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao ny mason'ny rahalahinao. 6 Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin'ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. 7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita; dony, dia hovohana;

8 fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, 9 ary izay mandondòna no hovohana. Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny; 10 na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny? 11 Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an'izay mangataka aminy? 12 Koa amin'izany, izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy amin'ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. 13 Midira amin'ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana mankany amin'ny fahaverezana, ka maro no mahazo any;

14 fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny làlana mankany amin'ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! 15 Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian'ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;

16 ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na voanaviavy amin'ny hery? 17 Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. 18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. 19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: 20 ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. 21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 22 Amin'izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin'ny anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin'ny anaranao va izahay, moa tsy efa nanao fahagagana tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary amin'izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory hianareo na oviana na oviana; mialà amiko hianareo mpanao ratsy. 24 Koa amin'izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin'ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy; 25 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin'ny vatolampy. 26 Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika; 27 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany. 28 Ary nony efa vitan'i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin'ny fampianarany,

29 satria nampianatra toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisiana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1065