Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-7

1 Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo;

2 fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana anareo koa. 3 Ary nahoana hianao no mahita ny tapak'ahitra ao amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin'ny masonao? 4 Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Avelao hesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin'ny anao? 5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao ny mason'ny rahalahinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0787