Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-7

21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra. 22 Amin'izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin'ny anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin'ny anaranao va izahay, moa tsy efa nanao fahagagana tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary amin'izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory hianareo na oviana na oviana; mialĂ  amiko hianareo mpanao ratsy. 24 Koa amin'izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin'ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy; 25 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin'ny vatolampy. 26 Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika; 27 ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1113