Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-7

7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita; dony, dia hovohana;

8 fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, 9 ary izay mandondòna no hovohana. Ary iza aminareo no hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny; 10 na hanome bibilava azy raha hazandrano no angatahiny? 11 Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an'izay mangataka aminy? 12 Koa amin'izany, izay rehetra tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy amin'ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903