Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-8

5 Ary rahefa niditra tao Kafarnaoma izy, dia nisy kapiteny anankiray nanatona azy ka nihanta taminy,

6 nanao hoe: Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy. 7 Ary hoy Jesoa taminy: Ho avy hanasitrana azy aho. 8 Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 9 Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin'ny iray hoe: Andeha hianao, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray: Ataovy izao, dia manao izy. 10 Gaga Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin'izay nanaraka azy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin'Israely. 11 Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin'ny fihinanam-be miaraka amin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1369