Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-8

23 Ary niondrana tamin'ny sambo kely izy ka narahin'ny mpianany.

24 Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin'ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary izy anefa natory. 25 Dia nanatona azy ny mpianany, ka namoha azy nanao hoe: Tompoko, vonjeo izahay fa maty. 26 Ary hoy Jesoa taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo ry kely finoana? Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. 27 Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: Iza io Lehilahy io no manaiky azy ny rivotra sy ny ranomasina?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0428