Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-8

28 Nony efa tonga teny am-pita tamin'ny tanin'ny Geraseny izy, dia nisy lehilahy roa nidiran'ny demony, nivoaka avy tamin'ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany làlana izany.

29 Ary indreo izy niantso hoe: Mifampaninona izahay sy hianao, ry Jesoa zanak'Andriamanitra? Hampijaly anay alohan'ny fotoana va no nalehanao atý? 30 Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra azy teny, 31 ka nihanta tamin'i Jesoa ny demony nanao hoe: Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso ho amin'iretsy andian-kisoa iretsy. 32 Ary hoy izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin'ny kisoa; niaraka tamin'izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. 33 Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin'ireo olona roa nidiran'ny demony. 34 Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an'i Jesoa, ka nony nahita azy, dia niangavy taminy mba hiala amin'ny faritaniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1417