Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

1 Ary niondrana tamin'ny sambo kely izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.

2 Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin'ny fandriany nentin'ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan'ireo Jesoa, dia hoy izy tamin'ilay malemy: Matokia, anaka, fa voavela ny helokao. 3 Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: Miteny ratsy an'Andriamanitra ilay io. 4 Fa Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5 Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? 6 Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka, dia hoy izy tamin'ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 7 Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. 8 Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an'Andriamanitra noho izy nanome ny olona fahefana toy izany. 9 Ary nony niala teo Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy izy taminy: Andeha hanaraka ahy hianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy.

10 Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'izy sy ny mpianany. 11 Ka nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikàna sy ny mpanota? 12 Fa hoy Jesoa nandre izany: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. 13 Mandehana àry hianareo, ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota. 14 Tamin'izay, dia nankao aminy ny mpianatr'i Joany ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Farisiana no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?

15 Ary hoy Jesoa taminy: Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy. 16 Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny triatra. 17 Ary ny barika hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barika, ka ny divay raraka, ary ny barika simba; fa ny barika hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa. 18 Raha mbola niteny izany tamin'ireo izy, dia indro nisy lehiben'ny sinagoga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka azy, ka nanao hoe: Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tànanao aminy, dia ho velona izy.

19 Dia nitsangana Jesoa, ka nandeha nanaraka azy izy mbamin'ny mpianany. 20 Ary indro nisy vehivavy nitsidrà nandritra ny roa ambin'ny folo taona, nanatona azy avy eo ivohony, ka nanendry ny moron-tongotr'akanjony; 21 fa hoy izy anakampony: Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho. 22 Ary nitodika Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Hatramin'izay dia sitrana ravehivavy. 23 Nony tonga tany an-tranon'ilay lehibe Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: 24 Mialà hianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory. Dia nihomehezan'ireo izy. 25 Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra izy, ka nandray ny tànan'ilay zazavavy, dia nitsangana io. 26 Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazan'izany. 27 Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roalahy nanaraka azy, sady niantso mafy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay.

28 Nony tonga tany an-trano izy, dia nanatona azy ireto jamba, ary hoy Jesoa taminy: Moa mino hianareo fa mahay manao izany aho? Eny, Tompoko, hoy ireo taminy. 29 Dia notendreny ny masony, ka hoy izy: Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nihiratra ny masony, ary Jesoa nandrara azy mafy hoe: Tandremo sao ho ren'olona izao; 31 kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany. 32 Nony lasa ireo, dia indro nentin'ny olona teo amin'i Jesoa indray ity lehilahy anankiray sady moana no azon'ny demony.

33 Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: Tsy mbola nisy toy izany tamin'Israely. 34 Fa ny Farisiana kosa nanao hoe: Ny lehiben'ny demony no androahany ny demony. 35 Ary Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.

36 Onena izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. 37 Dia hoy izy tamin'ny mpianany: ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; 38 koa mihantà amin'ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895