Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

27 Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roalahy nanaraka azy, sady niantso mafy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay.

28 Nony tonga tany an-trano izy, dia nanatona azy ireto jamba, ary hoy Jesoa taminy: Moa mino hianareo fa mahay manao izany aho? Eny, Tompoko, hoy ireo taminy. 29 Dia notendreny ny masony, ka hoy izy: Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nihiratra ny masony, ary Jesoa nandrara azy mafy hoe: Tandremo sao ho ren'olona izao; 31 kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1135