Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-9
35 Ary Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.36 Onena izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. 37 Dia hoy izy tamin'ny mpianany: ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; 38 koa mihantà amin'ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.