Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

21 fa hoy izy anakampony: Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho. 22 Ary nitodika Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Hatramin'izay dia sitrana ravehivavy. 23 Nony tonga tany an-tranon'ilay lehibe Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: 24 Mialà hianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory. Dia nihomehezan'ireo izy. 25 Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra izy, ka nandray ny tànan'ilay zazavavy, dia nitsangana io. 26 Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazan'izany. 27 Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roalahy nanaraka azy, sady niantso mafy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0881