Evanjely Masin'i Jeso-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 9. 14-15,
14 Tamin'izay, dia nankao aminy ny mpianatr'i Joany ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Farisiana no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady? 15 Ary hoy Jeso taminy: Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy.