Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

14 Tamin'izay, dia nankao aminy ny mpianatr'i Joany ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Farisiana no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?

15 Ary hoy Jesoa taminy: Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy. 16 Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny triatra. 17 Ary ny barika hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barika, ka ny divay raraka, ary ny barika simba; fa ny barika hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0973