Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

32 Nony lasa ireo, dia indro nentin'ny olona teo amin'i Jesoa indray ity lehilahy anankiray sady moana no azon'ny demony.

33 Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: Tsy mbola nisy toy izany tamin'Israely. 34 Fa ny Farisiana kosa nanao hoe: Ny lehiben'ny demony no androahany ny demony. 35 Ary Jesoa nitety ny tanĂ na sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.

36 Onena izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. 37 Dia hoy izy tamin'ny mpianany: ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; 38 koa mihantĂ  amin'ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792