Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

10 Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'izy sy ny mpianany. 35 Ary Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.

36 Onena izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. 37 Dia hoy izy tamin'ny mpianany: ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; 38 koa mihantà amin'ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.091