Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-9

9 Ary nony niala teo Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy izy taminy: Andeha hanaraka ahy hianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka azy.

10 Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'izy sy ny mpianany. 11 Ka nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Nahoana ity Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikàna sy ny mpanota? 12 Fa hoy Jesoa nandre izany: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. 13 Mandehana àry hianareo, ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752