Bokin'i Mikea

Toko voalohany

1 Tenin'ny Tompo natao tamin'i Mikea avy ao Moreseta, tamin'ny andro nanjakan'i Joatana sy Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an'i Samaria sy Jerosalema.

2 Mihainoa hianareo, ry firenena rehetra! Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin'izay rehetra monina eo aminao! Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh, dia ny Tompo avy ao amin'ny lapan'ny fahamasinany!

3 Fa indro Iaveh efa hivoaka avy ao amin'ny fonenany; hidina izy handia ny havoana amin'ny tany.

4 Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin'ny diany, ny lohasaha hitresaka toy ny savoka eo anoloan'ny afo, toy ny rano voarotsaka amin'ny tany misolampy.

5 Ny hisian'izany dia noho ny helok'i Jakoba sy noho ny fahotan'ny taranak'Israely. Inona no helok'i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon'i Jodà? Tsy Jerosalema va?

6 Koa Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha, tany fambolena voaloboka; hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony, ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.

7 Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon'ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an'ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.

8 Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra, handeha tsy mitafy sy miboridana; handefa finaonaonana toy ny amboadia, ary fitarainana toy ny ostritsa.

9 Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin'i Jodà, tonga hatreo ambavahadin'ny vahoakako dia hatrany Jerosalema.

10 Aza ambaranareo any Geta izany; aza mitomany any Akao hianareo! Mihosinkosina amin'ny vovoka any Beta-Afra aho.

11 Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry kala mponina ao Safira! Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna; ny fisaonan'ny ao Beta-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo.

12 Ory ikala mponina ao Maroty, noho ny amin'ny fananany; fa nidina avy tany amin'ny Tompo ny loza, ho eo ambavahadin'i Jerosalema.

13 Afehezo amin'ny kalesa ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa; fiandohan'ny fahotana ho an'ny zanakavavin'i Siona, no nahitana ny helok'Israely ao aminao.

14 Noho izany hianao hamoy ny anananao an'i Moreseta ao Geta; ny trano ao Akziba dia ho fanodokana ho an'ny mpanjakan'Israely.

15 Hitondrako mpandresy hianao, ry kala mponina ao Maresà; ho lasana hatrany Odollama ny tabihan'Israely.

16 Ongoty ny volonao, kakaso izy, noho ny amin'ireo zanakao malalanao; ataovy tonga sola toy ny papango sola ny lohanao fa lasan-ko babo lavitra anao ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1292