Bokin'i Mikea

Mikea toko 1
Mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina Iaveh, hamaly ny heloka nataon'Israely sy Jodà - Sazy hamelezana an'i Samaria - Fisaonan'ny mpaminany, mahita ny sazy mihatra amin'i Jerosalema sy amin'ny tany rehetra.

       1 Tenin'Iaveh natao tamin'i Mikea avy ao Moreseta, tamin'ny andro nanjakan'i Joatana sy Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an'i Samaria sy Jerosalema.
       2 Mihainoa hianareo, ry firenena rehetra!
Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin'izay rehetra monina eo aminao!
Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh,
dia ny Tompo avy ao amin'ny lapan'ny fahamasinany!
       3 Fa indro Iaveh efa hivoaka avy ao amin'ny fonenany;
hidina izy handia ny havoana amin'ny tany.
       4 Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin'ny diany,
ny lohasaha hitresaka
toy ny savoka eo anoloan'ny afo,
toy ny rano voarotsaka amin'ny tany misolampy.
       5 Ny hisian'izany dia noho ny helok'i Jakoba
sy noho ny fahotan'ny taranak'Israely.
Inona no helok'i Jakoba?
Tsy Samaria va?
Ary iza no fitoerana avon'i Jodà?
Tsy Jerosalema va?
       6 Koa Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha,
tany fambolena voaloboka;
hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony,
ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.
       7 Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy;
ho levon'ny afo ny tambiny rehetra;
hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny
fa tangim-pijangajangana no nanangonany an'ireny,
ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny.
       8 Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra,
handeha tsy mitafy sy miboridana;
handefa finaonaonana toy ny amboadia,
ary fitarainana toy ny ostritsa.
       9 Fa fery mahafaty ny azy,
fa tonga hatrany amin'i Jodà,
tonga hatreo ambavahadin'ny vahoakako
dia hatrany Jerosalema.
       10 Aza ambaranareo any Geta izany;
aza mitomany any Akao hianareo!
Mihosinkosina amin'ny vovoka any Beta-Afra aho.
       11 Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry kala mponina ao Safira!
Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna;
ny fisaonan'ny ao Beta-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo.
       12 Ory ikala mponina ao Maroty, noho ny amin'ny fananany;
fa nidina avy tany amin'Iaveh ny loza,
ho eo ambavahadin'i Jerosalema.
       13 Afehezo amin'ny kalesa ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa;
fiandohan'ny fahotana ho an'ny zanakavavin'i Siona,
no nahitana ny helok'Israely ao aminao.
       14 Noho izany hianao hamoy ny anananao an'i Moreseta ao Geta;
ny trano ao Akziba dia ho fanodokana ho an'ny mpanjakan'Israely.
       15 Hitondrako mpandresy hianao, ry kala mponina ao Maresà;
ho lasana hatrany Odollama ny tabihan'Israely.
       16 Ongoty ny volonao, kakaso izy,
noho ny amin'ireo zanakao malalanao;
ataovy tonga sola toy ny papango sola ny lohanao
fa lasan-ko babo lavitra anao ireny.