Bokin'i Mikea

Toko faha-2

1 Loza ho an'izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa tanterahany izany, raha tahiny mbola mety hoefain'ny tànany ihany.

2 Tsiriritiny ny saha, ka alainy, ny trano koa, ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin'ny tranony, ny tompo mbamin'ny lovany.

3 Ka izao no lazain'ny Tompo: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo; ka tsy handeha miandranandrana intsony hianareo, fa ho andro ratsy izany.

4 Amin'izany andro izany, dia hanononan'ny olona ohabolana hianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran'ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an'ny mpiodina ny sahantsika?

5 Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin'ny fiangonan'ny Tompo.

6 - Aza maminany intsony hianareo, hoy izy ireo maminany. Raha tsy misy maminany amin'ireto anefa, tsy hiala ny fahafaham-baraka.

7 Hianao, ilay antsoina hoe taranak'i Jakoba, moa tsy manana fandeferana va Iaveh? Izany va no asa fanaony? - Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana ho an'izay mandeha amin'ny hitsiny?

8 Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo: ny kapaoty endahanareo hiala eo ambonin'ny akanjo; ny mizotra tsy manan'ahiahy, ataonareo fahavalo.

9 Ny vehivavy eo amin'ny vahoakako roahinareo hiala amin'ny tranony tsy foiny; esorinareo eo amin'ny zanany madinika ny voninahitro hiala aminy mandrakizay.

10 Mitsangàna hianareo, ka mandehana: fa tsy toerana fitsaharana eto, noho ny loto hampijaly anareo, sy noho ny fampijaliana mampangirifiry.

11 Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: Haminany divay aman-dabiera ho anao aho! dia izay no ho mpaminanin'ity firenena ity.

12 Hamory anao manontolo aho, ry Jakoba ô, hangoniko izay sisa amin'Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin'ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-balany, no ho fisasasasan'ny olona ankabetsahany.

13 Miakatra eo alohan'izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary Iaveh no mitarika azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0374