Bokin'i Mikea

Toko faha-3

1 Hoy aho: Mihainoa hianareo, ry loholon'i Jakoba, mbaminareo mpanapaka ny taranak'Israely! Tsy anjaranareo va ny mahalala ny rariny,

2 dia hianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, manendaka ny hoditra amin'ny vatana, sy ny nofo amin'ny taolana?

3 Izy ireo no mihinana ny nofon'ny vahoakako; manendaka ny hoditra eo amin'ny vatany, mamakivaky ny taolany, mamotipotika azy toy ny ao am-bilany, ary toy ny hena ao am-bilany lehibe.

4 Hitaraina amin'ny Tompo izy ireo amin'izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin'izy ireo ny tavany amin'izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.

5 Izao no lazain'ny Tompo, ny amin'ireo mpaminany izay nampaniasia ny vahoakako; izy ireo raha mbola manan-kokekerina ny nifiny, mitory ny fihavanana; izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia ilazany avokoa fa hiady:

6 Koa alina no ho azonareo ho solon'ny fahitana; ary aizina ho solon'ny faminaniana; ny masoandro hilentika amin'ny mpaminany ary ny andro ho maizina amin'izy ireo.

7 Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon'ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin'Andriamanitra.

8 Fa izaho kosa feno hery, omban'ny Fanahin'ny Tompo, ary feno rariny aman-kerim-po, hanambara amin'i Jakoba ny helony; sy amin'Israely ny fahotany.

9 Koa henoinareo izao, ry loholon'ny taranak'i Jakoba, sy mpanapaka ny taranak'Israely, izay mankahala ny rariny, sy mamadika ny hitsiny,

10 manangana an'i Siona amin'ny fandatsahan-dra, sy Jerosalema amin'ny faharatsiana!

11 Ny mpanapaka ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin'ny Tompo izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va Iaveh? Tsy mety hanjo antsika ny loza!

12 Koa noho ny aminareo, Siona hanjary saha asaina, Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny tempoly ho fitoerana avo misy hazo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802