Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Mikea

Mikea toko 5, 1-5
Ny mpanjaka taranak'i Davida - Fanjakana ambony indrindra - Fanafoanana ny fiarovan-tena foronin'olombelona, fandravana ny sampy.

       1Ary hianao, ry Betleema Efrata,
kely tsy tokony ho isan'ireo arivon'i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho ahy
ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin'Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin'ny andro fahagola,
hatramin'ny andro mandrakizay.
       2Koa noho izany, dia hanolotra an'ireny izy
mandra-pihavin'ny fotoana hiterahan'ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin'ireo rahalahiny dia hiverina
amin'ny zanak'Israely.
       3Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin'ny herin'ny Tompo,
amin'ny fiandrianan'ny anaran'ny Tompo Andriamaniny;
ary handry fahizay ny olona, fa ho lehibe izy amin'izay
hatrany amin'ny faran'ny tany.
       4Izy no ho fiadanana.
Rahefa ho tonga eto amin'ny tanintsika ny Asiriana,
ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony,
dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy,
sy mpanapaka ny vahoaka valo.
       5Hiandry ny tanin'i Asora amin'ny sabatra ireo,
sy ny tanin'i Nemroda eo ambavahadiny;
ary izy hanafaka antsika amin'ny Asiriana,
rahefa tonga amin'ny tanintsika ireny,
sy hanitsaka ny faritanintsika ny tongony. >