Bokin'i Mikea

Toko faha-6

1 Mihainoa ary izay lazain'ny Tompo hianareo: - Mitsangàna hianao ary ataovy vita ny adinao eo anoloan'ny tendrombohitra, ary aoka ny havoana handre ny feonao!

2 Mihainoa ny adin'ny Tompo hianareo, ry tendrombohitra, mbaminareo fanorenan'ny tany tsy azo ovana! Fa manan'ady amin'ny vahoakany Iaveh; ka handahatra manohitra an'Israely izy. -

3 Inona no nataoko taminao, ry vahoakako, inona no nampalahelovako anao? Valio ny teniko.

4 Fa nitondra anao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta aho, ary nanavotra anao tamin'ny andro nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an'i Moizy sy Aarona ary Maria.

5 Tsarovy ary, ry vahoakako, ny hevitra nomen'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, sy ny navalin'i Balaama, zanak'i Beora, azy. Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgala, hahafantaranao ny fahamarinan'ny Tompo.

6 Inona no hoentiko hanoloana an'ny Tompo sy hiankohoka eo anatrehan'ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak'omby efa iray taona?

7 Hankasitrahan'ny Tompo va ny ondry arivoarivo, ny renirano diloilo alinalina? Hanolotra ny lahimatoako va aho, noho ny heloko, dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan'ny fanahiko?

8 Efa nampahalalaina anao, ry olombelona, izay tsara, sy izay ilain'ny Tompo aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hanaraka an'Andriamanitra amim-panetren-tena.

9 Miantso mafy miteny amin'ny tanàna ny feon'ny Tompo - ary fahendrena kosa ny manaja ny anaranao: - Mihainoa hianareo, ny tsorakazo, mbamin'izay nandidy azy!

10 Mbola misy, ao an-tranon'ny ratsy fanahy ihany va ny harena tsy marina, sy ny efah tsy ampy, maharikoriko?

11 Moa hadio va aho, raha mana-mizàna mandainga, sy vato tsy marina ao anatin'ny kitapo?

12 Feno fahasiahana ny mpanankarena amin'ity tanàna ity; milaza lainga ny mponina ao aminy, ary fitaka eo am-bavany fotsiny, ny lelany.

13 Koa izao kosa no ahy, ka hasiako kapoka mahafaty hianao, haringako noho ny fahotanao hianao.

14 Hihinana hianao, nefa tsy ho voky, ary ho ao anatinao ny hanoanana; hahatakao lavitra ihany nefa tsy hisy hovonjenao na inona na inona, ary na izay voavonjinao aza, hatolotro ny sabatra.

15 Hamafy hianao, fa tsy hijinja; hamia oliva hianao, fa tsy hihosotra diloilo; hamia ranom-boaloboka, fa tsy hisotro divay.

16 Mitandrina ny fitsipik'i Amrì ny olona, mbamin'ny fanaon'ny taranak'i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny hianareo, mba hanolorako anareo ho amin'ny fandringanana, ary ny mponina amin'ny tany, ho amin'ny fisitrisirana, ka hivesaranareo ny latsan'ny vahoakako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0896