Bokin'i Mikea

Toko faha-7

1 Indrisy! ity izaho toy ny rahefa vita ny fihotazam-boankazo fahavaratra, toy ny rahefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty: tsy misy salohy iray akory hohanina! Ny voaloham-boan'aviavy, izay tsiriritan'ny fanahiko, tsy misy na iray aza.

2 Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka, ary tsy misy marina intsony amin'ny olombelona. Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra; samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa.

3 Ny ratsy dia efa eo ny tànana hahatontosa azy; ny mpanapaka mamoritra; ny mpitsara mametra izay kolikoly ho azy, ary ny lehibe mampiharihary ny fitsiriritany; dia indray mifoko hanao ny ratsy izy.

4 Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo; ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy. - Tonga ny andro voalazan'ny tilinao, tonga ny andro famaizana anao; amin'izao ka dia efa safo-kenatra izy ireo! -

5 Aza mino izay sakaiza hianareo, na matoky izay ifankazarana indrindra: na eo anatrehan'ilay mandry eo am-pofoanao aza dia tano ny teny ao am-bavanao!

6 Fa ny zanakalahy manao amin-drainy hoe adala; ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny; ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy; samy manana ho fahavalony ny olona amin'ny ankohonany ihany.

7 Fa izaho kosa hitodi-maso amin'ny Tompo, hanantena an'Andriamanitry ny famonjeko; hihaino ahy ny Andriamanitro.

8 Aza mifaly noho ny amiko, ry kala fahavaloko, fa na lavo aza aho, mbola hiarina; na mitoetra amin'ny maizina aza aho, Iaveh no fahazavako.

9 Hivesatra ny fahatezeran'ny Tompo aho, satria nanota taminy, mandra-pihaikiny ny hiaro ahy amin'ny adiko, sy hampiharihariako ny rariny momba ahy; havoakany aho ho amin'ny mazava, dia hibanjina ny fahamarinany.

10 Hahita izany anie ikala fahavaloko, ka ho safo-kenatra anie izy, dia izy ilay nanao tamiko hoe: Aiza izay Iaveh Andriamanitrao? Hibanjina azy ny masoko: amin'izao dia hohitsakitsahina izy, toy ny fotaka eny amin'ny arabe.

11 Ho avy ny andro hananganana ny mandanao indray; amin'izany andro izany hofoanana ny didy.

12 Amin'izany andro izany, ho tonga hatr'aty aminao ny olona, avy any Asiria sy avy any amin'ireo tanànan'i Ejipta avy any Ejipta, ka hatr'any amin'ny ony, hatramin'ny ranomasina iray ka hatramin'ny ranomasina hafa, ary hatramin'ny tendrombohitra iray, ka hatramin'ny tendrombohitra hafa.

13 Hanjary efitra ny tany, noho ny amin'ny mponina ao aminy: izany no vokatry ny asany.

14 Andraso amin'ny tehinao ny vahoakanao dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an'ala, eo afovoan'i Karmela; aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy, toy ny tamin'ny andro taloha.

15 Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy any amin'ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy aho.

16 Hahita izany ireo firenena, ka hahamenatra azy avokoa ny heriny rehetra; hitampim-bava izy ireo, hangintsigintsina ny sofiny.

17 Hilela-bovoka, toy ny menarana izy; ary toy ny bibilavan'ny tany, dia hivoaka amin-tahotra miala amin'ny fiereny; hanatona an'ny Tompo Andriamanitsika, amin-kovitra izy, ary hatahotra anareo.

18 Iza no Andriamanitra tahaka anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an'izay sisa amin'ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.

19 Hamindra fo amintsika indray izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra;

20 hampiseho amin'i Jakoba ny fahamarinanao hianao, sy amin'i Abrahama ny famindram-ponao; izay efa nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro fahataloha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0702