Toko faha-11
12
Tsy hataoko amin'ny andronao anefa izany, noho ny amin'i Davida rainao, fa rahefa mby amin'ny zanakao vao hoendahako aminy izy.
29
Tamin'izany andro izany, raha nivoaka avy tao Jerosalema Jeroboama dia nifanojo teny an-dàlana tamin'i Ahiasa mpaminany, avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao: izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin'izany.
30
Nalain'i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy, ka notriatriariny ho roa ambin'ny folo,
31
dia hoy izy tamin'i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo, fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Indro, hendahako avy eo an-tanan'i Salomona ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo,
32
fa ny foko iray ihany no sisa azy, noho ny amin'i Davida mpanompoko sy noho ny amin'i Jerosalema, tanàna voafidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra.