Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Mpanjaka

1 Mpanjaka toko 12, 26-32,13
<13Teny mafy no navalin'ny mpanjaka ny vahoaka. Navelany ny hevitra nomen'ny zokiolona, fa araka ny hevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: 26Ary hoy Jeroboama anakampony: Mba mety ho tafaverina amin'ny tranon'i Davida ihany ny fanjakana izao. 27Raha miakatra hanao sorona any an-tranon'ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon'ity vahoaka ity hankany amin'ny tompony indray, amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRoboama mpanjakan'i Jodà. 28Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak'omby volamena roa ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Efa ela niakarana tany Jerosalema hianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta. 29Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Danà. 30Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Danà hivavaka amin'ny anankiray amin'ireo ny vahoaka. 31Nanao trano ho an'ny fitoerana avo Jeroboama, ary namorona mpisorona nalainy tamin'ny vahoaka fa tsy isan'ny taranak'i Levì. 32Nisy fety noforonin'i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin'i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony otely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan'ny olona sorona amin'ireo zanak'omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron'ireo fitoerana avo, izay natsangany. >