Boky Voalohan'ny Mpanjaka
Toko faha-17
17 Tatý aorian'izany kosa, nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon'aina intsony taminy.18 Dia hoy ity vehivavy tamin'i Elia: Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon'Andriamanitra? Moa ny hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatý amiko? 19 Ary hoy ny navaliny azy: Atolory ahy ny zanakao. Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny any amin'ny efi-trano ambony nitoerany, sy nampandriny teo am-parafarany. 20 Dia niantso an'ny Tompo izy, nanao hoe: Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin'ity mpitondratena itoerako ity va hianao, ka hahafaty ny zanany va? 21 Ary niampatra intelo tamin'ny zaza izy, sady niantso an'ny Tompo nanao hoe: Iaveh Andriamanitro ô! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain'ity zaza ity! 22 Nohenoin'ny Tompo ny feon'i Elia, ka nody taminy indray ny ain'ilay zaza, dia tonga velona indray izy. 23 Ary noraisin'i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon'i Elia hoe: Inty fa velona ny zanakao. 24 Ka hoy ravehivavy tamin'i Elia: Fantatro amin'izao fa olon'Andriamanitra tokoa hianao, ka marina ny tenin'ny Tompo ao am-bavanao.